Sosialy

Fikambanana FILEFA “Tsy mpisoloky izahay fa mijoro ara-panjakana”


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Nanambara ny olana nosedrainy tany Moramanga, tamin’ny faran’ny herinandro teo ny filohan’ny FIkambanan’ireo olona LEo ny FAhantrana (FILEFA) Atoa Razafindrakoto Gérard, omaly.

 

 Nisy nilaza ho mpisoloky izy ireo raha tonga tany an-toerana nikasa hamory vahoaka mba hangataka tanim-panjakana hahafahana manorina trano ho an’ireo tena sahirana. Nisy nilaza ihany koa fa tsy ara-dalàna ny fikambanany  ka namoahana didy fampisamborana mihitsy ny filohany. Raha ny fanazavan-dRazafindrakoto Gérard, mijoro ara-panjakana ny fikambanana tantanany. Ankoatra ity distrika izay notsidihiny tamin’ny faran’ny herinandro ity dia olona tena sahirana indrindra tsy manan-kialofana telo teto an-drenivohitra no efa nanamboaran’ny fikambanana trano, nahafahana tamin’ny fanofana trano isam-bolana, volana vitsivitsy lasa izay. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery ny olana sedrainy ny FILEFA. Voatery natao tamina EPP iray tany an-toerana ny famoriam-bahoaka nataony tao Moramanga vokatry ny resabe niely momba ny fikambanana.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT