Sosialy

Fikambanana FILEFA Hanolotra trano ho an’olona sahirana roa isan-taona


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Fikambanana vonona ny hiady amin’ny fahantrana hanampy ireo Malagasy tena sahirana ny FIkambanan’ny LEon’ny FAhantrana tarihin-dRazafindrakoto Jacky.

 

 

 

 

Lohalaharana amin’izany ireo tsy manan-trano izay nomarihin’ity filohany ity fa anisan’ny vesatra tena mampahantra ny mpiarabelona ankehitriny. Olona roa tena sahirana ara-pivelomana no nananganan’izy ireo trano teny Betsizaraina Ambohimangakely ny sabotsy lasa teo. Raim-pianakaviana iray, mpitarika ireo mponina monina eny La Réunion kely ny iray izay mipetraka amin’ny trano plastika raha mpatory eny ambany tetezan’i Behoririka kosa ny iray. Mpikambana an-jatony no tonga nirodorodo nanome tanana ny asa fananganana ny tranon’izy ireo tamin’io andro io izay samy manana tanjona hanampy ireo tena sahirana ao anatin’ny fikambanana aloha, tsy hiandrasana tambiny. Tsy tanim-panjakana ity nananganan’ny FILEFA trano ho an’ireo mpikambana ao aminy ity fa tanin’ny filoha nasionalin’ny fikambanana. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky izao asa soa sahaniny izao ny filohan’ny FILEFA hahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ny mpiarabelona. Tsiahivina fa miisa 60 000 ankehitriny ireo mpikambana izay marihina fa samy manana ny faripiainany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT