Sosialy

Fikambanana Fifanampiana Malagasy Ankizy sahirana 140 nentina niala sasatra


  • Alakamisy 10 Oktobra 2019

Ankizy 140 avy amin’ny faritra samihafa no nentin’ny fikambanana Fifanampiana Malagasy, nialà voly sy nitsangatsangana ary nahazo rivo-dranomasina, tany Foulpointe, nandritra ny efatra andro.

 

 

 

Ity fikambanana ity no mpiahy ireo ankizy sahirana, ka antony nitondran’izy ireo, an’ireo ankizy ireo niala sasatra. Avy any Andapa, Sadiovahy avy any Diego, Toamasina, Antsirabe, Toliary, Manakara ary Fianarantsoa ireto ankizy ireto. Efa fanaon’ny Fifanampiana Malagasy no mitondra ankizy mivoaka ny faritany isan-taona, ka nofidiana manokana i Foulpointe  noho izy tsara rivo-dranomasina sy tsara rivotra, manginy fotsiny ny tora-pasika. Andiany fahadimy ity “Journées des Oublies Vacances” na JOV ity. Nampifaly ireo kilonga madinika ny fikambanana ary nitsidika ny “Manda Foulopinte” koa izy ireo. Manodidina ny 9 ka hatramin’ny 14 taona ny sala-taonan’ireto ankizy, izay nahita zavatra tsy mbola fahita tany Foulpointe ireto kilonga ireto. Nitombo ny isan’ireo nandeha tamin’ity andiany ity. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny “Copin de Monde”. Nisy ihany koa ny fankasitrahana nomena ireo mpiahy ireto ankizy ireto, tamin’ity andiany ity ary sambany no nisy kambana mirahavavy nandeha tamin’io JOV io nandritra ny andiany efatra voalohany. Teo koa ny fanomezana ny loka tamin’ireo ankizy nandray anjara tamin’ny kilalao izay natao. Marihana, fa nisy ankizy nanana tsingerin-taona naterahana tamin’io andro io, ka nifaly havanja ireo ankizy sy ireo mpanabe ireo. Ny 18 ka hatramin’ny 22 septambra lasa teo no nanaovana io JOV io, tany Foulpointe.

Sitraka r.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT