Sosialy

Fikambanana Fief Mada “Fitsaboana tontolo iainana no atao fa maratra I Madagasikara”


  • Alatsinainy 28 Martsa 2022

Nahavita namboly zanakazo maherin'ny 2.500 isa tamin'ny toerana atao hoe Masiapapango, fokontany Ankadivola, Kaominina Ambohijanaka, Distrikan'Antsimondrano ny fikambanana Fief Mada, omaly alahady.

 Fiaraha-miasan'ity fikambanana ity sy ny kaominina Ambohijanaka izy, hoy ny fanazavan'ny ben'ny tanàna eny an-toerana, Razafindratsima Jonah, satria samy manana andraikitra amin'ny fanamaitsoana indray an'i Madagasikara isika rehetra. Nohamafisin'ny Fief Mada fa efa fitsaboana ny tontolo iainana mihitsy no atao amin'izao satria maratra i Madagasikara. Maro be ny fahasimbana ary mainka ho potika izany raha tsy misy ny fandraisana andraikitra ataon'ny tsirairay. Mandray andraikitra amin’ny raharaham-pirenena ny Fief Mada na FIfankatiavana sy Ezaka Fampandrosoana an’i Madagasikara. Fikambanana tsy manao politika izy ity saingy mandray anjara feno amin'izay heverina fa tokony hitondrana izany anjara biriky voalaza teo izany. Anio, mijoro ho mpitarika izahay ary manao izay tratra mitsabo ny tontolo iainana. Maro ny ezaka efa natao ary mbola hitohy tsy hijanona izany, hoy Raharijaona Jean François na Prezida Hary, filohan'ny Fief Mada. “Ny teny mahasarika fa ny atao mahatarika” moa no teny filamatry ny fikambanana. Notsiahivina nandritra ity fambolen-kazo ity fa efa tamin’ny taona 2012 no nisy sy niasa ny Fief Mada saingy tamin’ny taona 2018 vao tena nijoro ara-panjakana. Fokontany maro eto Antananarivo no efa miara-miasa sy miara-mientana amin'ny Fief Mada. An-jatony ireo mpikambana tonga namboly hazo omaly ary tsy ho ela ny fikambanana dia hitety ireo faritra manerana ny nosy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT