Sosialy

Fikambanana FFAM Nijery ireo fianakaviana sahirana teny Ambatomirahavavy


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Tsy manadino ireo fianakaviana sahirana ara-pivelomana monina ao anatin’ny


kaominina Ambatomirahavavy ny fikambanana FFAM (Force Féminine d’Aide Mutuelle) tarihin’ny filohany Rasolofonoroniaina Julia Mickaelle na Rtoa Mishah, omaly talata 23 desambra. Vary 16 gony niampy menaka no natolony tamin’izany nozaraina ho an’ireo olona manodidina ny 150 isa notsongaina , fanomezan-tanana avy amin’ny Fokontany. Izany no natao dia entina hanampiana azy ireo noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona. Raha tsiahivina moa dia fikambanana mpanao asa soa ny FFAM , mitsinjo ireo sahirana sy ireo niangaran’ny vintana. Toraka izany koa ireo Renim-pianakaviana izay tsy mijanona fotsiny ho an’ny eto Antananarivo fa tonga hatrany amin’ny faritra mihitsy. Tanjon’ny fikambanana amin’io taona vaovao 2021 ho avy io ny hanasoa ny mpiara-belona manerana ny faritra maro ho fandraisana andraikitra amin’ny fampivoarana ny fiainan’ny isan-tokantrano.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT