Sosialy

Fikambanana fampivoarana tantsaha Nanavotra mpamokatra 600 000


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Fikambanana iray niorina tamin’ny taona 1998 ny « Fikambanana Fampivoarana ny Tantsaha » na ny FIFATA.

 

 

 

Teny am-piandohana dia tany amin’ny Faritra Vakinankaratra sy Amoron’i Mania ihany no niasany saingy ankehitriny kosa dia faritra 12 manerana ny Nosy no efa ahitana azy ireo. Tokantranona tantsaha mpamokatra  400 isa no notohanany teny am-piandohana ary efa mahatratra 6 hetsy  izany ankehitriny. Anisan’ny nanampiany ireo tantsaha ny fanomezana fiofanana sy ny torohevitra maro samihafa entina hanatsarana ny vokatra ary ny fampidirana ireo tantsaha amin’ny sehatry ny fandraharahana. Mankalaza ny faha-30 taona niorenany ny fikambanana. Ankoatra ny tolo-tanana izay efa nomeny ireo tantsaha dia hiroso amin’ny fitadiavana lalam-barotra maro samihafa indray izy ireo amin’ny 30 taona ho avy. Hetsika goavambe no entin’ny FIFATA hanamarihana izany manomboka ny alatsinainy 09 septambra ho avy izao, ao Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra. Ankoatra ireo atrikasa maro samihafa hifanakalozana hevitra amin’ireo tantsaha mpamokatra sy ireo matihanina dia hisy ihany koa ny diabe hotanterahin’izy ireo ny 12 septambra ho avy izao. Mpamokatra 700 isa avy amin’ny faritra 12 no ho avy hanome voninahitra sady hampitombo traikefa ihany koa.

Pati / J.Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT