Sosialy

Fikambanana Donnons Nous La Main Nanampy ny zaza kambotin’ny zandary


  • Alakamisy 24 Febroary 2022

Manampy hatrany ireo fikambanana miahy zaza kamboty sy ireo fianakaviana sahirana amin’ny alalan’ny asa sosialy ny fikambanana Donnons Nous La Main, izay tarihan-dRamatoa Samirah.

 Ny Akany fitaizàna ireo zaza kamboty navelan’ireo zandary maty amperin’asa tany Arivonimamo faritra Itasy indray, no notoloranan’ny fikambanana Donnons Nous La Main kilalao toy ny jeux de société, taorian’ny tao amin’ny Akany Avoko teny Ambohidratrimo. Nisy ihany koa ny fanolorana vary, menaka, savony, klin, voamaina, siramamy ary lafarinina. Tao anatin'izany ihany koa no nanolorana latabatra sy seza ho an'ity akany ity ity, mba ho fanampiana ny fitaovana hampiasain’ny akany. Velom-pisaorana ny fikambanana Donnons Nous La Main ny tompon’andraikitry ny Zandarimariam-pirenena tao an-toerana, raha nandray ny fanomezana avy amin’ity fikambanana ity mpanao asa soa ity. Mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ary hijery ny fikambanana tratry ny fahasahiranana ankehitriny ihany koa ny fikambanana mpanao asa soa tarihiny, hoy Rtoa Samirah.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT