Sosialy

Fikambanana Assanati Nanampy ny mponina etsy La Réunion kely


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Amin` ny fiainana ankapobeny dia samy manana ny sokajiny avy ny olona, ny mahantra, ny antonony ary ny mpanankarena. Matetika anefa dia ny fahantrana foana no ambetin-dresaka sy lazaina fa fahavalo eto amin`ny firenena.

 

 

Ao anatin`izany ireo mpatory ao ambanin`ny tonelina, ireo mponina etsy La Reunion kely…  Milomano anaty tsy fisiana, miaina karazam-pijaliana, trano gony no ankanin`ireo mponina eny an-toerana. Matory amin’ny tany  amin’ny alalan’ny tsihy na lamba ny ankamaroan’izy ireo, hany ka betsaka ireo ankizy madinika no lasibatry ny aretina tsy fidiny. Ho fanampiana  azy ireo dia finakaviana sahirana miisa 30 no nisitraka kidoro spaonjy 30 isa avy amin`ny fikambanana Assanati Famo Gidraka omaly. Vokatry ny ezaka nataon` ny filohan`ny fikambanana, Rtoa Assanati Famo izay monina any ivelany dia nitondra ny anjara birikiny amin`ny fanasoavana ireo mpiara-belona aminy ary nosafidiany manokana ny La Reunion kely. Savaranando ny hetsika fa mbola hisy ny andiany manaraka, hoy i Brulin Rojoniaina, filohan`ny fikambanana Assanati Famo Gidraka Mahajanga. Amin'ny maha samy malagasy sy mpiray tanindrazana dia tsy mijanona any Mahajanga ihany ny hetsika ataony fa efa mivelatra manerana an’i Madagasikara mihitsy ka ny hanasoa ny vahoaka madinika no tanjona, hoy hatrany ny fanazavana. Efa nisy fidinana ifotony nataon`ireo mpikambana mialoha ny hetsika fanolorana omaly. Marihina fa efa nanampy ireo fianakaviana traboina  vokatry ny fianjeran’ny vatobe teny Ampamarinana izy ireo ny volana janoary lasa teo ny fikambanana. Hiezaka ny fikambanana hanampy ireo fianakaviana sahirana manerana ny nosy araka izay tratrany, hoy hatrany ny fanazavana. Antsiranana indray, mandritra ny fankalazana ny 8 martsa, andro iraisam-pirenena ho an`ny vehivavy no dingana manaraka ho an`ny fikambanana Assanati Famo Gidraka, izay efa valo taona nijoroana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT