Sosialy

Fikambanana Assanati Famo Gidraka Nanampy mpiara-belona an-jatony


  • Talata 20 Oktobra 2020

Betsaka ireo olona sahirana teto amin’ny firenena vokatry ny fihibohana. Ankoatra ireo very asa mivantana dia tsy vitsy ireo nihitsoka tanteraka mihitsy ny fitadiavany toy ireo mpanankato nanerana ny Nosy.

 

Nijery manokana azy ireo ny fikambanana Assanati Famo Gidraka, notarihin-dRtoa Assanati. Ny 15 Oktobra teo dia nizara vary sy menaka ho an’ ireo mpanankato rehetra tao mahajanga izy. Manodidina ny 200 mahery ireo nisitraka izany. Ankoatra izay dia nambaran’ny solontenan’ny fikambanana ihany koa ny fahavononan’izy ireo hanampy ny mpanankato amin’ny fikirakirana ny rakikira sy raki-tsarin’izy ireo hahafahany mivoatra ka tafiditra ao anatin’izany ny matrakazy eny anivon’ny haino vaky jery. Hiampita any amin’ireo mpikambana ny fizarana ny fanampiana atsy ho atsy raha araka ny fampanantenana nataon-dRtoa Assanati rehefa afaka mamory olona mihoatra ny 1.000 ny fikambanana tarihiny. Tsiahivina moa fa mbola misy akony ratsy eo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ny fandalovan’ny COVID 19 hatreto. Marobe ireo Ray aman-dReny tsy afaka mampiana-janaka noho ny fahasahiranana antony nizaran’ny fikambanana vola nividianana kitapo sy fitaovana maro samihafa ho an’ireo kilonga madinika. Tsy nisy ihany koa ny fizarana fahana sy vary amin’ny gony ary fatana mitsitsy ho an’ireo mpanaraka azy tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook nahafahana nanamaivana ny fahasahiranan’ny tsirairay nandritra ny fihibohana. Tsiahivina moa fa tsy manao politika ny fikambanana Assanati ary manasoa ny mpiara-belona tsy misy tambiny araka ilay teny filamatra manao hoe : “antsika jiaby miaraka amin’ny Assanati Famo gidraka non stop, ny werawera tsy maintsy mandeha”

Pati sy Marigny

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT