Nanampy ireo Reny mpanasa lamba teny Anosipatrana Ampangabe Anjanakinifolo, kaominina Antananarivo renivohitra ny fikambanana Assanati Famo Gidraka omaly.
Saika mamelon-tena amin’io asa iray io avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo vehivavy sahirana eny an-toerana, indrindra fa ireo Renim-pianakaviana mananontena. Mbola tena olana anefa ny fitaovana hampiasaina. Mba ho fanampiana azy ireo ary dia tonga nanolotra koveta sy sceau ho azy ireo ny fikambanana niaraka tamin’ny vovon-tsavony sy savony vaingany. Vehivavy sy Renim-pianakaviana manodidina ny 200 isa teo ho eo no nahazo tombontsoa tamin'izany izay nankasitraka feno an-dRtoa Assanati filohan'ny fikambanana. Ezahina hipaka manerana ireo fokontany eto an-drenivohitra moa ny hetsika tahaka izao raha tsy ho diso anjara ihany koa ny any amin'ny faritra raha ny vaovao azo omaly. Na izany aza dia mitohy hatrany ny fanampiana omen-dRtoa Assanati ho an'ireo olona manao commentaire sy partage ireo zavatra alefany ao anaty tambajotra Facebook ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : Antsika jiaby miaraka amin'ny Assanati Famo Gidraka ary ny werawera tsy maintsy mandeha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.