Sosialy

Fikambanana ASSANATI FAMO Gidraka Hanampy ireo traboina vokatry ny rivodoza ao Soalala


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Mitohy hatrany ny asa soa tanterahin’ny fikambanana Assanati Famo Gidraka, izay tarihin’ny filohany Rtoa Assanati.

 

 

Taorian’ny nandraisany ho mpikambana ireo renim-pianakaviana mazoto  teto Antananarivo tamin’ny volana oktobra teo dia nisy ny famoriana ireto farany fanindroany notanterahiny ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny EPP Vassacos. Nisy ny fanolorana lambahoany mba hampiasain’ny renim-pianakaviana, indrindra amin’izao andro mafana izao. Teo ihany koa ny fandraisany ireo mpikambana vaovao miisa 800. Ankehitriny, tafakatra 2800 isa ireo renim-pianakaviana sy ankizy mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity ho an’ny eto Antananarivo raha miisa 5.000 ny ao Antsirabe, fikambanana  vao natsangana tamin’ny fiandohan’ny volana desambra teo. An’arivony ihany koa ireo mpikambana ao Fenoarivo Atsinanana. Nampanantena Rtoa Assanati fa hanampy sy hijery ireo mpikambana eto Antananarivo mialoha ny fetin’ny faran’ny taona hahafahan’ny rehetra manao fety sambatra. Ankoatra izay, hitondra fanampiana an`ireo traboina ao amin`ny distrikan`i Soalala vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Belna ny fikambanana. Maro ny zavatra simba toy ny firodanan’ny fefiloha miaro ny tanàna, ny fiendahana tafon-trano, ny fahatapahan-jiro, ny vovo dibo-drano, ny tsy fisiana rano fisotro madio, ny mety ho fahasimban’ireo fanafody fiandry ao amin’ny CSB any an-toerana, ny faharendrehana botry iray. Izany rehetra izany dia niteraka fahavoazana ho an’olona miisa 1300. Tsiahivina fa fikambanana mpanao asa soa tsy manao politika ny fikambanana Assanati ary efa saika mielipatrana manerana ny Nosy ny fikambanana ankehitriny, mijoro ara-dalàna sy ara-panjakana,  mitsinjo ireo sahirana ara-pivelomana sy tsy manam-piahy.

Pati sy Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT