Sosialy

Fikambanana AHMADIYYA Nizara fanomezana ho an’olona sahirana 380 isa


  • Talata 04 Jona 2019

Nankalaza ny fizarana ny fitrana na ny fanomezantsoa amin’ny volana Ramadany omaly ny fikambanana Mozilimana eto Madagasikara.

 

 

Tsy diso anjara tamin’izany ny Fikambanana mozilimana Ahmadiyya eto Madagasikara, tarihin’ny misionera miasa an-tsitrapo Atoa Ahmed Mudassir. Fizarana fanomezana ho an’ireo olona sahirana miisa 380 monina etsy Andavamamba Anatihazo II omaly no nentin’izy ireo nanamarihana ny hetsika ka nanamafisan’ity tompon’andraikitra ity fa ny finoana silamo dia fivavahana feno fiadanana sy fandriampahalemana fa tsy araka ny fiheveran’ny sasany azy ho fampihorohoana. Mifanohitra tanteraka ny fivavahana silamo sy ny terivozina na ilay fampihorohoroana, hoy izy. Nomarihiny fa miezaka ny manatanteraka ny hafatr’ilay Andriananahary izy ireo sady miezaka mampianatra ny mpiara-belona mba hizara tsy misy fanavahana ihany koa. Notsiahiviny fa raha iray volana ireo mpino silamo no tsy nihinana dia tsapan’izy ireo fa mafy ny mahazo ireo sahirana izay misy zara raha mihinana mandritra ny 12 volana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT