Sosialy

Fikambanana Ahmadiyya Hitsabo maimaimpoana eto Madagasikara


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

“Fitiavana ho an’ny rehetra. Tsy fankahalana an’iza na iza.” Io no teny filamatry ny avy eo anivon’ny fikambanana silamo Ahmadiyya.

 

 

Omaly moa dia nampahafantatra tetsy Andavamamba ny tanjona tian’izy ireo hotratrarina fonosin’ny teny filamatra ny fikambanana. Raha ny fanazavana dia hisy ny fitsaboana maimaimpoana hotanterahan’izy ireo any amin’ireo faritra misy ny fikambanana dia ny eto Antananarivo sy Toliara ary Fianarantsoa manomboka ny 2 ka hatramin’ny 11 mey izao. Fitsaboana hanampiana ny olombelona rehetra, hoy izy ireo, no tanjona ary tsy misy fanavahana na fivavahana na finoana na volon-koditra na firazanana na fiaviana. Misy dokotera vahiny 3 ho avy miaraka amin’ny mpitsabo mpanampy Malagasy hanatanteraka fizahana maimaimpoana sy hanome ny fanafody mifandraika amin’ireo aretina. Nomarihin’ny fikambanana fa tsy hoferana ny isan’ireo marary horaisin’izy ireo. Maherin’ny 710 ireo firenena misy ity fikambanana ity eto ambonin’ny tany, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT