Sosialy

Fikambanana ADFM Mijoro hanatsara ny toe-karena sy ny sosialin’ny mponina


  • Alakamisy 25 Mey 2023

Fikambanam-behivavy niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny sosialy ary ny fambolena ny ADFM teny am-piandohana na ny Association pour les développement des femmes a Madagascar.

Taty aoriana anefa dia tonga nanatevina izany ihany koa ny Raim-pianakaviana sy ny tanora noho ny fahatsapana fa tsy natao ho an’ny vehivavy irery ny asa fampandrosoana no tanjona mampandroso miaraka no tena tanjona ka niova ho Association pour les develloppement des familles Malagasy ny anaran’ny fikambanana. Na dia mbola eo am-pikarakarana ny taratasy hijoroany amim-pomba ofisialy aza izy ireo noho izany dia efa nanao hetsika sahady tamin’ny datin’ny 08 martsa lasa teo, izay nankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy ihany koa. Fambolena sakafo tao amin’ireo sekoly ambaratonga fototra roa teto an-drenivohitra no notanterahiny dia ny tao amin’ny EPP Analakely sy EPP Ankadifotsy izay niarahany tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy antoko Fanorolahy izay mpiahy ny fikambanana. Mbola maro ny tanjona lavitr’ezaka hotratrarin’izy ireo raha araka ny fantatra raha mbola santatra am-bava rano ihany ny asa vita hatreto. Anisan’ireny ny fampiroboroboana ny fambolena eny anivon’ny tontolo ambanivohitra, ny fampianarana sy fanofanana ny tantsaha hampiasa teknika manaraka ny toetr’andro amin’ny fambolena sy ny zezika biolojika. Tsy latsa-danja amin’izany ny fananganana foto-drafitrasa hahazoana rano fisotro madio, ny fidiovana manara-penitra….Tsy manao politika moa ny fikambanana saingy miara-miasa amin’ny rehetra kosa. Mandroso miaraka mantsy no tanjon’izy ireo.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT