Sosialy

Fikambanam-behivavy mahasaky 67 HA Nizara vary ho an’olona an-jatony, tohanan’ny HA.FA.RI …


  • Alatsinainy 13 Jolay 2020

Tena mihatra amin’ny hakalana ny fahasahiranan’ny Malagasy amin’izao. Indray mandeha isan’andro sisa ny tokantrano iray no mihinan-kanina raha mahita, vokatry ny fahasahiranana ateraky ny fihibohana.

 

 

 

Misy araka izany ireo miaina tsizarizary sisa, antony nanosika ny fikambanam-behivavy Mahasaky etsy amin’ny 67 ha izay tohanan’ny FI.TRA.MA sy ny HA.FA.RI Malagasy hijery akaiky ireny karazan’olona ireny.

OLONA AN-JATONY

Olona an-jatony no nozarain’ny fikambanam-behivavy Mahasaky etsy amin’ny 67 ha fotsim-bary kilao maromaro ny Sabotsy lasa teo. Saika fianakaviana sahirana manodidina ny 67 ha avokoa izy ireo, mivoaka sempotra noho ny fiatrehana ny fihibohana ateraky ny fiparitahan’ny COVID 19 eto amintsika. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ny am-pahany tamin’izy ireo dia sambany no nisy fanolorana fanampiana maimaim-poana tahaka izao tao amin’ny Fokontany misy azy ireo. Ho an’ny fikambanam-behivavy Mahasaky kosa dia fotoanan’ny fifanampiana izao fa tsy voatery hiandry ny Fitondram-panjakana foana vao afaka manao zavatra.

NANAMBOATRA VAVAHADY

Ankoatra ny fanolorana fotsim-bary dia nanamboatra ny lalan-kely miditra ao an-tanana etsy amin’ny 67 ha ihany koa ny fikambanana, izay tohanan’ny HAFARI Malagasy sy ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy. Natao beton iray manontolo izany, niampy ny fanavaozana ny vavahady ho lasa vavahady vy lehibe sy matanjaka ho enti-miady amin’ny tsy fandriampahalemana ankehitriny. Fanampiana sy fitiavana ny mpiara-belona avokoa izany hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy. Efa nahazatra anay rahateo hoy izy ny manampy ny mpiara-belona aminay koa raha mbola misy ny azo hatao dia vonona hatrany ny HAFARI sy ny FITRAMA hifanome tanana.

 

 

 

NANKASITRAKA NY FILOHAM-PIRENENA

Nankasitraka feno ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny mpitsabo nentim-paharazana Rakotondranaivo Jean Pierre nandritra izany. Zava-dehibe loatra hoy izy ny ezaka nataon’ity filoha ity nanandratana ny maha-Malagasy izay hitondra vokatsoa goavana eto amin’ny firenena na ara-toekarena izany na ara-tsosialy. Ny olana kely hoy izy dia ireo mpanipy hoditr’akondro izay tokony hojerena ihany. Izahay mantsy hoy izy dia fiaraha-monim-pirenena ihany koa, mahay miara-monina amin’ny olon-drehetra ary manerana an’i Madagasikara dia vonona ny hihavana sy hifanohana amin’ny rehetra ho mariky ny soa toavina Malagasy.

MIJORO ARA-DALANA

Mikasika ila resabe momba ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy dia nanamafy Rafanomezantsoa Jean Nirina izay filohany sady filoha nasionalin’ny Hafari Malagasy fa mijoro ara-dalana izy ireo. Manana ny statut-ny ara-dalana ny FITRAMA hoy izy ary manana ny foibeny sy ny biraony. Nohantitranteriny hatrany fa ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no niantso ny Malagasy rehetra mba hijoro nanomboka tamin’ny fotoana nahatongavan’ny coronavirus teto amintsika ary nahare izany avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy. Anisan’ny nijoro tao anatin’izany ny FITRAMA hoy hatrany izy entina hanandratana ny maha-Malagasy.

MPITSABO NENTIM-PAHARAZANA, MPIKAMBANA ANTM

Notsiahiviny moa fa mpikambana tao amin’ny Association Nationale des Tradipraticiens de Madagascar Rakotondranaivo Jean Pierre izay mpitsabo nentim-paharazana ary manana taratasy ara-dalana. Mbola nividy ny fitaovana nampiasan’ny ANTM ihany koa ity farany raha ny fanazavana azo hatrany toy ny latabatra ny seza…. Ny lalana 002-2011 ¬hoy izy no mametraka ny fanovana izay nolovain-drazana izay azo hatao tsara. Ny fahaizana tsy miova hoy izy raha nivadika ho FI.TRA.MA Rakotondrainaivo Jean Pierre ary tsy manova na inona na inona raha niala tao amin’ny ANTM ny tenany. Takian’izy ireo araka izany ny handravana ny ANTM. Marihina moa fa efa miroso amin’ny fananganana ny sendikan’ny mpitsabo nentim-paharazama sy ny famadihana ny FITRAMA ho orinasa izy ireo ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT