Sosialy

Fihotsahan’ny tany eny Tsimialonjafy Efa tamin’ny taon-dasa no nisy fampitandremana


  • Talata 22 Janoary 2019

Efa tamin’ny taon-dasa no nampitandremana sy nalana tamin’ny toerany ireo olona nianjeran’ny trano teny Tsimialonjafy, Ambanin’Ampamarinana, raha araka ny fanazavan-dRakotomalala André,

 

 sefom-pokontany ao an-toerana saingy tsy nisy nahafoy ny toeram-ponenany. Efa niezaka izy ireo ny nanala ilay vatobe natahorana hianjera tamin’ny taon-dasa ary efa afaka. Tamin’ity taona 2019 ity kosa, hoy izy  dia tena tsy nampoizina tokoa satria avy any avaratra ny hazo sy tany nihotsaka ary bolongam-bato  no niainga ka avy hatrany dia namantana tamin’ireto trano miisa efatra ireto. Trano naorina tsy ara-dalàna ny ankamaroan’izy ireo satria tsy nahazoana alalana, hoy hatrany ity sefom-pokontany ity.  Nisy tamin’izy ireo mantsy, rehefa nandalo tao amin’ny fokontany mba hanao asa fanorenana no nalefa teny amin’ny fivondronana saingy betsaka ireo tsy nanao. Miisa 51 ireo traboina ankehitriny izay mbola tazonina vonjimaika etsy amin’ny INFP Mahamasina. Razana efatra kosa no mbola tadiavina ka mpivady ny iray raha mpianaka ny iray. Nanambara ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany fa omena toerana hahafahany mipetraka amim-pilaminana sy amim-pitoniana izy ireo. Ho an’ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra manokana dia tonga nitsapa alahelo ireo fianakaviana manana ny maty ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana omaly maraina. Nambarany fa  hojerena akaiky ireo toerana mbola ahiana hitrangan’ny loza  ho fiarovana ny ain’ny mponina.  Tsiahivina fa toerana dimy eto an-drenivohitra no voasokajy ao anatin’ny faritra mena ankehitriny toy ny eny Ambohipotsy, Andafiavaratra,  Andohamandry,  Manjakamiadana ary Ampamarinana ka tokony ho malina ny rehetra, indrindra fa ireo  tsy manaiky hafindra toerana noho ny antony maro samihafa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT