Sosialy

Fihitaran’ny grevy Hisy akony amin’ny vidim-piainana


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Hatreto aloha dia kely hatrany ny fanantenana amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara.

 

Toa miziriziry tsy hiala hatrany ny filoham-pirenena ary miezaka miantso fifanatonana sy firesahana an-databatra boribory . Etsy andaniny anefa ireo depioten’ny fanovana dia tsy manaiky intsony fa mitaky hatrany ny fametram-pialan’ny filoha ary tsy mila ireo vahiny hanelanelana. Hihasarotra hatrany araka izany ny toe-draharaha manomboka amin’ity herinandro ity satria efa mikasika ny mpiasam-panjakana rehetra any anaty birao any ireo mpitokona. Hanahirana arak’izany ny fikarakarana taratasy any amin’ny sampan-draharaha tompon’andraikitra rehetra any manomboka izao. Tamin’iny herinandro lasa iny aza moa dia fantatra fa efa maromaro hatrany no mivoaka manaraka ireo mpanao fihetsiketsehana na dia misy aza ny tsindry maro samihafa atao amin’izy ireo.Tsy azo lavina ihany koa fa tsy maintsy hiantraika hatrany amin’ny vidin-javatra ilaina andavan’andro izao tsy fitoniana misy eto amin’ny firenena izao. Misy aza moa ireo entana fampiasa isan’andro no efa miaka-bidy sahady. Anisan’izany ny menaka, ny savony ary ny siramamy ary inoana fa tsy hijanona amin’ireo ihany fa hihitatra amin’ny entana hafa ihany koa izany. Mazava ho azy fa ny sarababem-bahoaka foana no hizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny toe-javatra sahala amin’itony ary hitombo fahasahiranana hatrany. Tokony handray fanapahan-kevitra haingana ny mpitondra izay milaza ho tia tanindrazana manoloana izao fijaliana sy mbola ho fahasahiranana hihamafy kokoa atsy ho atsy izao raha mbola misy ny fiziriziriana.

Tsiry  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT