Fihinanana trondro misy poizina

Mpanjono roa namoy ny ainy tany Tolagnaro


  • Alatsinainy 18 Martsa 2024

Mpanjono miisa roa no fantatra fa namoy ny ainy tao amin’ny Fokontany Ambinanibe,

Kaominina Taolagnaro, Faritra Anôsy ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny fantatra dia noho ny fihinanana trondro iray atao hoe «botana » na “poisson ballon”, fantatra amin’ny anarana siantifika hoe : « Arothron mappa » no antony nahatonga izany. Raha ny fantatra hatrany dia 07 mirahalahy izy ireo no nitono sy nihinana ity karazan-trondro ity ary tena namokovoko tokoa. Amin’ireo mpanjono 5 lahy ireo dia mbola miady amin’ny fahafatesana ny iray ary efa manao ny ezaka rehetra ny mpitsabo ka efa natao « sous oxygène » izy hatramin’ny omaly hariva fotoana nahazoanay ny vaovao . Efa any amin’ny havany kosa ny vatana mangatsiakan’ireo roa rehefa avy nialana nenina. Fotoana fihinan’ity karazan-trondro iray ity ilay lomotra mahafaty any anaty ranomasina moa izao volana martsa izao raha araka ny fantatra izay tena mamono olona tokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanjono iray mbola miady amin’ny fahafatesana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT