Fihinanana trondro eto Madagasikara

Tafakatra 7kg isan’olona isan-taona


  • Alatsinainy 04 Septambra 2023

Tafakatra 7kg isan’olona, isan-taona ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara, raha ny fampitam-baovao

voaray teo anivon’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga, ny faran’ny herinandro teo. Ambany ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara hatramin’izay, hoy ny fanazavana. 2,16kg isan’olona isan-taona izany tany amin’ny 4 taona lasa. Nitombo 4,16kg isan’olona tamin’ny taon-dasa. Tanjona ny hampiakarana izany ho 11kg. Fitambarana ezaka maro no nahazoana izany vokatra izany, hoy ny minisitry ny jono sy ny toekarena manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny fanjonoana madinika, ny fizarana fitaovana mba hahafahan’ny mpajono mandeha lavitra, ny fiompiana trondro anaty tanimbary, dobo sy ny anaty “case” mitsingevana sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT