Sosialy

Fihinanana trondro efa simba Olona 06 indray no naiditra hopitaly ao Toliara


  • Alarobia 14 Septambra 2022

Ilana fanaraha-maso akaiky ireo trondro simba na efa maty hita na miparitaka etsy sy eroa indrindra fa ho an’ireo olona monina manakaiky ny sisin-dranomasina.

Raha araka ny vaovao azo mantsy dia olona miisa 6 be izao indray no naiditra hopitaly ao amin’ny CHU Tanambao Toliara efa roa andro izao vokatry ny fihinanana trondro efa simba. Tovovavy iray mipetraka ao Mahavatse II no tsy nahazaka ilay aretin-kibo mandoa sy mivalana ary ilay hafananabe nahazo azy ka fantatra fa namoy ny ainy tsy fidiny. Efa nalefa nody kosa ny 4 ambiny raha mbola tazonina ao amin’ny hopitaly ny iray hatramin’ny omaly nahazoanay ny vaovao. Tsiahivina moa fa tena mahafaty ny fihinanana sakafo efa simba fa tsy ny trondro ihany hoy ny mpitsabo ka tokony hitandrina ny tsirairay indrindra fa ireo manan-janaka madinika.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT