FIHINANANA TRONDRO AKIO

Olona 55 isa no naiditra hopitaly tany Toliara


  • Alakamisy 21 Novambra 2024

Olona miisa 55 be izao hatramin’ny omaly hariva Alarobia 20 Novambra hariva fotoana

nanoratanay no fantatra fa marary mafy ary voatery naiditra hopitaly ao amin’ny CSB II Efoetse vokatry ny fihinana Fia Akio avy any an-dranomasina. Olona avy ao amin’ny fokontany Ankarampona ,Ambola,Efoetse ary Maromitolike ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Efoetse Disitrikan’i Toliara II avokoa izy ireo raha omaly maraina kosa no nisehoan’ny aretina. Misy marary kibobe izy ireo, fanina sy mandoa ary tsy afa-mitsamgana intsony ka mila tsy ho araka ny mitondra ireo marary mankany amin’ny hopitaly. Na izany aza mbola tsy nisy aloha ny aina nafoy. Nampahatsiahy moa ny tompon’andraikitra any an-toerana fa manomboka ny fiandohan’ny volana Novambra ka hatramin’ny faran’ny volana Febroary dia maro karazana ireo hazan-dranomasina tsy azo hanina fa mihinana Alga na lomotra ka mety hahafaty. Zaza amam-behivavy moa ny ankamaroan’izy 55 mianaka ireo.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hamaroan’ireo marary !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT