Sosialy

Fihinanana trondro 4,26 kg isan’olona isan-taona ho an’ny Malagasy


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Mbola azo lazaina ho tena ambany ny tahan’ny fihinanan’ny Malagasy trondro. Mbola vao 4,26 kg isan’olona isan-taona

mantsy izany raha efa mahatratra 142 kg isan-taona isan’olona any amin’ireo firenen-kafa any ivelany. Raha tsiahivina anefa dia manana anjara toerana goavana eo amin’ny fahasalaman’ny vatan’olombelona ny fihinanana trondro. Ankoatra ny hena dia mitondra proteina betsaka izy ka tokony hohanina indray mandeha isan-kerinandro raha kely. Tsy manana fahafahana ny ho amin’izany anefa ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy, indrindra amin’izao fahasahiranana lalina lalovan’ny tsirairay izao. Efa mahatratra 20.000 Ar mantsy amin’izao ny iray kilao amin’ny trondro eny an-tsena. Manoloana io tranga io dia fantatra fa hampitomboana ny vokatra trondro eto amintsika hahafahana mampihena ny vidiny. Raha mahatratra 307.000 taonina isan-taona ny filana eto Madagasikara dia hohampiakarina hatrany izany amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana ny mpiompy sy fizarana zana-trondro ho azy ireny hoy ny Minisitra tompon’andraikitra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT