Sosialy

Fihinanana sakafo vita amin’ny ronono 7 kg isan-taona isan’olona monja ny eto Madagasikara


  • Alakamisy 02 Jona 2022

Mbola tena ambany ny tahan’ny fihinanana ireo sakafo vita amin’ny ronono eto Madagasikara. 7 Kg isan-taona isan’olona mantsy izany raha tsy mahatratra 1 litatra isan’olona isam-bolana ihany koa ny fisotroan-dronono,

sakafo feno izay nomarihin’ny mpitsabo fa mitondra vitamina A betsaka ho an’ny vatana indrindra fa ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona sy ireo vehivavy bevohoka. Mba ho fampitomboana io tahan’ny fanjifan’ny tsirairay ronono eto Madagasikara io dia nisy ny hetsika notanterahin’ny MDB tany Antsirabe omaly, hetsika izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fisotroan-dronono. Tanjona tamin’ny hetsika raha araka ny fanazavana azo dia ho fampandraisana anjara ny lalam-pihariana ronono ao anatin’ny fampandrosoana mba hahafahana miditra ao anatin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo iadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo no sady hahafahana miady amin’ny fahantrana ihany koa. Notanterahina tao Antsirabe omaly ihany koa ny fanasoniavana ny satan’ny ronono. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 2001 no nomarihina voalohany teto amintsika ny andro manerantany ho an’ny ronono, hetsika hiarahana amin’ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo na ny FAO. Mahatratra 2.400 Ar moa ny iray litatra amin’ny ronono amin’izao eny an-tsena izay tsy zakan’ny olona ihany koa ny vidiny amin’ny ankapobeny noho ny hasarotan’ny fiainana. Mbola 120.000 litatra isan-taona moa ny vokatra ronono eo Madagasikara amin’izao raha 46 tapitrisa litatra ny filana raha oharina amin’ny isan’ny mponina.

Nangonin’i Pati
Legende : Tsy mahamaika ny olona ny fisotroan-dronono noho ny halafosan’ny vidiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT