Sosialy

Fihinanana atsantsa tany Sambava Zaza 13 taona no maty, 3 hafa mbola eny amin'ny hopitaly


  • Alarobia 25 Martsa 2020

Ny tolakandroan` ny 23 martsa teo dia tovolahikely iray, 13 taona, no namoy ny ainy vokatry ny fihinanana atsantsa (requin). Mpifanolobodirindrina aminy no nahazo atsantsa ka mba nizara dia nihinana izy.

Ny alahady teo no nahazo zanaka atsantsa ireto mpanjono tao Anjiakely Kaominina Farahalana distrikan’i Sambava ka naroso hatramin'ny atiny nendasina ary nohanina. Ora vitsy taorian'io dia efa nitaraina ho marary ny zandriny indrindra, tamin’ireo nihinana, ary niitatra tamin'izy efa-mianaka ka avy hatrany dia nentina namonjy tobi-pahasalamana akaiky indrindra dia tao amin'ny CSB2 Farahalana, io alahady io tokony tamin'ny 10 ora alina. Ny ampitson’io dia nandray fanapahan-kevitra ny mpitsabo fa ho alefa ao amin'ny CHRR Besopaka, hopitaliben’i Sambava, ilay zaza rehefa nihombo ny aretiny. Indrisy anefa fa tsy natohitra intsony ity zandrikely ity ka nodimandry. Mbola reraka tsaboina any amin` ny hopitaly moa ireo iray tampo aminy, zazalahy 14 taona sy ny anabaviny 15 taona ary ny Rain'izy ireo, na ity farany aza tsy mbola mahay miteny tsara miraikidraikitra ny lelany,araka ny angom-baovao natao.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT