Sosialy

Fihazana soka-dranomasina Telo mianadahy voasambotra tao Mahajanga


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Telo mianadahy no sarona manao asa fivelomana amin’ny famonoana sy fivarotana soka-dranomasina tao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 

Tao amin’ny faritra Andamalama, fokontany Antanimasaja izy ireo no sarona mbola teo am-pitetehana ireo sokatra. Ny roa tamin’ireto farany no tsy avotra intsony fa mbola tratra velona kosa ny dimy ambiny ka naverin’ny tompon’andraikitra any anaty rano. Raha ny fantatra hatrany dia toy ny efa mahazatra azy telo mianadahy ireto mihitsy ny fihazana sy ny famonoana voka-dranomasina tahaka izao ary mivarotra izany avy eo. Tafiditra ao anatin’ny biby arovana sady mampiavaka antsika eto Madagasikara anefa izy ireny ka tsy maintsy noraisina ny fepetra. Ireo mpitandro ny filaminana misahana ny fiambenana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Mahajanga no nahatratra azy ireo. Raha ny vaovao farany, hiakatra fitsarana tsy ho ela izy ireo, rehefa vita ny fakana am-bavany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT