Sosialy

Fihazakazahana maka vatsy tsinjo Nahitana taratra ny fahasahiranam-bahoaka


  • Zoma 18 Febroary 2022

Tena sahirana ny vahoaka Malagasy. Raha vantany vao nahare fanomezana kely na avy amin’ny fanjakana na tsia dia samy mihazakazaka mamono tena avokoa sitrany ahay mahita indray mandeha mandrotsaka.

Hita taratra izany nandritra ny fizarana ilay Vatsy Tsinjo ho an’ny Boriborintany I sy ny Boriborintany faha-efatra izay efa nanomboka afak’omaly Alarobia. Ho an’ny Boriborintany I dia tokantrano manodidina ny 1.440 no nisitraka izany avy amin’ny Fokotany Andranomanalina centre, Bekiraro, Antaniavo, 67Ha centre Ouest. . Ho an'Antananarivo IV kosa dia miisa 1611 ireo tokantrano nahazo fanampiana ka ny fokontany Ambohibary sy Ankaditoho Maroroho no efa nahazo izany fanampiana izany. Ahitana vary 25 kg, voamaina, menaka soja 1 litatra , sardines 02, savony, sira, koba aina, ary ronono amin'ny boaty io fanampiana io. Ireo manana ilay karinem-pokontany misy QR code ihany moa no mahazo izany hahafahana mandrindra ny fitsinjarana ireo fanampiana ireo. Na dia teo aza moa ity fanampiana ity dia mbola olan’ny isan-tokantrano indray koa ny nanangona volakely nanakarama posy nitondra azy noho ny harerahana amin’ny fitadiavana sy ny fitotoana isan’andro ka tsy hananana vovok’aina intsony.
Pati

Legende : Nololoavina tahaka izao ny an’ireo tsy nahita saran-dalana ho an’ny posy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT