Sosialy

Fihazakazahana hamboly vary safiotra sinoa Mila fitandremana be, betsaka ireo voka-dratsy


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Isan’ny nifampiresahan’ny Fanjakana Rajoelina sy ny Fitondrana sinoa tao anatin’ny fihaonana

mikasika ny fiaraha-miasa Sina-Afrika na ny FOCAC 2024 ny hijerena fiaraha-miasa hahatratraran'i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny seraseram-panjakana. Nisy rahateo ny fanaovan-tsonia drafi-pifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny Yuan's Seed sy ny Governemanta Malagasy ho fampiroboroboana ny fambolena sy ny hamokarana masomboly vary safiotra eto Madagasikara. Navoitra fa tanjona napetraka ny hamerina an'i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe indiana sy Afrika ary handray anjara amin'izany ny hanapariahana sy hampitomboana ny fambolena vary safiotra manerana ny Nosy. Efa misy andrana natao ao Mahitsy izay nahitam-bokatra 8 taonina isaky ny hektara ary hitarina ao Morondava ny valam-pamokarana masomboly amina velaran-tany 2000Ha, raha ny tatitry ny fitondrana.
TENA MAMOKATRA BE SAINGY BE VOKA-DRATSY…
Raha ny tantara, tany amin’ny taona 1974 no nahitan’ny sinoa ny vary safiotra tamin’ny alalan’ilay manam-pahaizana Yuan Longping, izay nisy fiakarany 15% hatramin’ny 20% mitaha amin’ny vary mahazatra ny vokatra. Tany amin’ny 2012, teo amin’ny 6,2 taonina isaky ny hekitara ny vokatra mahazatra, izay nanatombo 2,7 taonina amin’ny salan’isa maneran-tany. Manodidina ny 17 tapitrisa hekitara na 58% amin’ny tanimbary sinoa ny fambolena vary safiotra. Isan’ny olan’ny vary safiotra anefa ny tsirony izay ratsy kokoa mitaha amin’ny vary mahazatra. Miankina amin’ny zezika ampisaina ny kalitaon’ny vary, mety hisy voka-dratsiny haingana amin’ny fahapotehan’ny tany ny zezika sy akora simika ampisaina, tsy maintsy mividy masomboly vaovao isaky ny hamboly ny tantsaha izay miteraka fiankinan-doha,… Ny vary safiotra matetika dia mety hifandray amin'ny fampiasana fanafody sy simika be loatra, satria miankina amin'ny teknika manokana amin'ny famokarana. Izany dia mety hisy fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny olona raha tsy ampy ny fanaraha-maso. Betsaka ireo Firenena Afrikanina niverin-dàlana.
SAO MBA NY TEKNIKA EFA HITA FA NAHOMBY NO TOHIZANA SY HATSARAINA ?
Zava-dehibe ny finiavana hanatratra ny tanjon’ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ary raha ny kajikajy dia mbola mahatratra 700 000 taonina isan-taona ny tsy fahampiana ara-bary tsy maintsy hafarana. Na izany aza, tena mila fitandremana be ity resaka vary safiotra sinoa ity. Manana ireo ivon-toeram-pikarohana samihafa momba ny fambolena isika raha tsy hilaza afatsy ny FOFIFA na Foibem-pirenena momba ny Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra, izay efa vita andrana sy fampiharana ary mety tsara amin’ny toe-tany eto. Efa misy ireo karazana vary tena tsara afaka vokarina mifanahantsahana amin’ny vary safiotra, efa nisy ireo tetikasa samihafa toy ny « Vitrine de Madagascar » izay nisiana fifaninanana ho an’ny tantsaha namoaka manodidina ny taonina isaky ny hekitara,… Sao ireny no tokony himasoana sy hatsaraina ?
Toky R

 

 

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT