Raha ny resaka fihariana akoho dia efa mandeha daholo ankehitriny na ny resaka “poulet de chair” na akoho manatody lava, hoy ny mpamokatra akoho sady veterinera eo anivon’ny orinasa Farmer Aviculteur,
Mandimby Harinala. Hita fa liana amina seha-pihariana hafa ny mpiompy ankehitriny ka mahatonga anay mamokatra karazana akoho vaovao izay nataonay hoe akoho gasy sy vao. Lahina akoho mpanatody no nampivadiana amina akoho gasy tsaratsara mba hamoaka karazana akoho tsaratsara kokoa izay manana tsirona akoho gasy nefa haingam-pitombo koa satria maro atody. 3600 ariary monja no hamarotanay ny lahy iray. 7000 hatramin’ny 8000 ariary, arakaraky ny isany kosa ny iray amin’ny vavy manatody lava. 2000 hatramin’ny 16.000 ariary kosa ireo vatombatony. 4 taona izay no nanomboka nanaovanay izao dia efa be mpahafantatra any anaty tambazotran-tserasera any. Misy toromarika tsara arahana rehefa miompy akoho na lafiny ara-tsakafo io na fikarakarana hafa. Mbola kely izahay raha mitaha amin’ireo mpandraharaha goavana fa miankina amin’ny tinady koa anefa no hamokaranay tolotra. Mamokatra zanak’akoho eo amin’ny 5000 isa isan-kerinandro eo izahay izao. Tany am-boalohany izahay 100 isa isan’andro no lafo. Niakatra isan-kerinandro ilay izy avy eo dia izay efa tafakatra 5000 isan-kerinandro izay. Tato anatin’ity krizy ara-pahasalamana ity no tena tsikaritra ho tena nandeha ny fihariana akoho satria betsaka ny olona tsy nanana zavatra atao dia nahita ilay izy hoe mety dia io no tena nampitombo koa ny tinady taty aminay. Nitombo ny mpiompy akoho karazany amin’ity ataonay ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.