Sosialy

Fihariana Mahaliana ny tanora ny asa eny an-tsambo


  • Alatsinainy 05 Aogositra 2019

Asa noheverina ho sarotra sy mafy nefa tena mahaliana ny tanora eto amintsika ny asa eny ambony sambo.

 

Tsy mitaky diplaoma be mantsy izy io fa BEPC fotsiny ihany no ilaina na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy feno 18 taona  dia efa mety raha am-bolana kosa no hanaovana ny fiofanana ka tafiditra ao ny fampianarana teny anglisy izay tena ilaina be tokoa rehefa eny ambony sambo. Ho an’ny “Centre de formation maritime de Madagascar” eny Antanimena manokana dia tena mirodorodo tokoa ireo tanora manaraka izany.  Tapa-bolana no fiandohan’ny fiofanana izay hanaovana fidinana ifotony avy hatrany any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina na Mahajanga mihitsy. Olona tantsambo avokoa no manofana amin’izany raha araka ny fanazavan-dRakotoherivao  Ando, tale jeneraly lefitra eo anivon’ny cefomar. Tsy mijanona eo anefa ny fiofanana ho an’ireo izay tena te ho lasa mpiasa eny ambony sambo fa mitohy hatrany, roa herinandro isaky ny mandeha  mandrapahavitany tanteraka. Andiany faha-35 no hihazo an’i Toamasina amin’izao fidirana izao raha andiany faha-24 kosa ny an’i Mahajanga.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT