Mitotaly 786.759.500 Ariary ny famatsiana ara-bola sitrahan` ireo tantsaha miisa 185 ao Androy amin` ny alalan` ny tetikasa Fihariana. Manodidina ny 200.000 Ariary hatramin’ny 35.850.000 Ariary isaky ny tantsaha ny fizaran'izany. Isan'ireo asa tanterahina ao anatin'ny fiaraha-miasa vita sonia eo amin’ny PAM Madagasikara sy Fihariana ity fanohanana ara-bola sy ara-teknika ity. Tanjona dia hametrahana vahaolana maharitra hirosoana amin'ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ao amin’ ity faritra ity.Tafiditra feno ihany koa anatin'ny vahaolana lavitra ezaka entin'ny roa tonta hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy hizorana mankany amin’ny famoronan'asa sy fampiroboroboana eny amin'ny faritra amin'ny alalan'ny famokaran'ny tantsaha ny filana ao an-toerana. Tantsaha anaty kaoperativa miisa 5 efa mpiara-miasa amin’ny PAM dia ny : FBMIFA, Lamba Firake (Association HETSORO), ROMBAHO, UNION AVOTRA ary UNION MITOHISOA avy amin'ny distrika Ambovombe sy Amboasary Atsimo misehatra amin’ny fiompiana omby vavy be ronono, ondry, ny fambolena voamaina tsaramaso maina sy lena, voanjo, mangahazo ary legioma no nisitraka ny famatsiana ara-bola amin’ny taha-jana-bola farany ambany sy fanohanana ara-tekinika toloran'i Fihariana sy PAM.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.