Sosialy

Fifindra-monina An’arivony no tonga any Ambilobe


  • Alatsinainy 01 Febroary 2021

Mpifindra monina an'arivony no efa tonga any Ambilobe amin’izao fotoana izao,

 

 

ka namory azy ireo ny tompon'andrikim-panjakana any an-toerana, nanazavana ny fombafomban-tany, ny fiaraha-monina any avaratra,... Voalaza fa tsy misy lamina mazava sy tena maty paika aloha hatreto azo naroso amin'ny fandraisana ireto azy ireo, izay tena mihamaro hatrany. Ny tsapa dia olona manana ny fombany izy ireo ary dia mitazona tokoa izay fomba fiainany izay. Misy anefa ireo tompon-tany no hafa fandray izany fihetsika izany, ary misy aza ny mihevitra andreo toy ny malaso, ka mandray fepetra mifanaraka amin'izany. Tsy lavitra an'i Ambilobe ny toeram-pitrandrahana volamena ao Daraina sy Betsiaka, izay malaza feno volamena sy vato sarobidy. 56 000 ny isan'ny mponina ao Ambilobe amin’izao fotoana izao, hoy ny fampahalalam-baovao iray. Mila alamina sy arindra ny fiarahamonina mba hisorohana ny fifandirana. Isan'ny betsaka olona mandao ny toeram-ponenany moa ny any Atsimo noho ny Kere, ary efa maro no niely nanerana ny Nosy.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT