Sosialy

Fifehezana ny vidin-javatra Miharihary fa ilaina ny tahaka ny Magro


  • Zoma 15 Jolay 2022

Miharirahary ankehitriny ny fidangan’ny vidim-piainana ary mila hitadiavam-bahoalana maharitra sy mahomby. Tsy manana paikady tsara rindra hiatrehana an’izany afatsy ny filalaovana serasera ny Fanjakana.

Tsy finiavana hamendrofendro na hamoa fota-mandry fa ny zava-misy ankehitriny dia maneho fa tena mahomby ary ilaina ny fisian’ny Magro tahaka ny tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana. Nahafahana nametraka fifandanjan-kery ara-pandraharahana sy ara-toekarena teo amin’ireo mpandraharaha karana mpanao ampihimamba tamin’ny lafiny maro tahaka ny resaka vary, menaka,… Afaka nametraka fahamarinan-toerana na « stabilité » tamin’ny resaka vidin-javatra satria ambany aza ny vidin’entan’ny Magro, saingy nolevonina nandritra ny fanonganam-panjakana. Nanangana ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny Fanjakana Rajoelina ny volana novambra 2019, saingy hita taratra ihany ny fetrany, tsy nahomby loatra. Politika mitovitovy amin’ny tamin’ny Magro izay nopotehina ihany no natao tamin’io fa izy miankina amin’ny fanjakana fotsiny, ka lalantsaina amin’izany ny fanafarana mivantana ireo entana ilaina andavanandro, ny solika,… mba hialana amin’ny fakana tombony mihoampampana. Toa voafetra ihany anefa satria tsy manam-bola ny Fanjakana sady mbola bokan-trosa ihany koa. Na nisy aza ny fanafarana vary izay namidy mora, tsy azon’ny rehetra nositrahana. Voafetra ny tsena mora, tsy mahasehaka ny filan’ny vahoaka, entana any amin’ny karana no ampiasaina, tany amin’ny pimaso politika nampiasana ny loko volomboasary no nampiasana azy. Azo antoka ny hanaovana fitaovana azy any amin’ny fifidianana. Nahongana i Marc Ravalomanana, nopotehina ny fananany, notondroina ho nanao ampihimamba, nolazaina fa hitsofohany ny seha-pihariana maro,… Nodorana ny Tiko sy Magro isan’ireo orinasa afaka nametraka fifandanjan-kery amin’ny vahiny, malagasy an’aliny very asa,... Niroso isika ankehitriny sa nihemotra? Tsy misy intsony ve ny ampihimamba? Iza no mifehy ny toekarena sy ny tsena ankehitriny? Tsy famohazana fota-mandry, fa kosa fampisaintsainana mba hakana lesona amin’ny ho avy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT