Ny 6 novambra 2019 no nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny fananganana ny orinasa “State Procurement of Madagascar” na ny SPM,
hisahana ny fanafarana sy fitsinjarana ireo entana tena ilain’ny mponina sy ireo entana iankinan’ny aim-bahoaka, toy ny solika sy ireo entana miankina tanteraka amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Io no natsangana dia noho ny fahatsapana fa mitarika fahasahiranana ho an’ny vahoaka ny fiankinan-doha be loatra amin’ireo orinasa izay manararaotra eo amin’ny fitsinjarana sy fanafarana entana avy any ivelany ka mampidangana ny vidim-piainana izay mila tsy ho takatry ny ankamaroan’ny malagasy ka tsy mitarika ho amin’ny fandrosoana, hoy ny fanjakana. Tena mila hafainganina io. Ny vahiny no mifehy sy manao izay tiany amin’ny resaka entana ilaina amin’ny andavanandro, saingy tsy afa-manoatra ny fanjakana. Tsy miraharaha fahefam-panjakana ny mpandraharaha ka na nisy aza ny naoty nivoaka fa azo henjehina amin’ny lalàna ny fampiakarana tsy ara-drariny ny vidin-javatra, dia mbola nisy faritra tonga 1100Ar ny kapoakan’ny vary, toy ny any Tsaratanàna. Na izany aza, misy ny hetsika antsoina hoe “Tsinjo” ataon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana hiadiana amin’ny fanararaotana, toy ny any Mahanoro, Vatomandry, Marolambo,… izay voa mafy noho ny andro ratsy. Ny tena tsy mahamandry ny sain’ny mpitondra amin’izao fotoana izao, dia ny fahavitan’ny Rova, Mahamasina,… Tsara ireny, saingy izay ve no laharam-pahamehana voalohany eto ? 97% amin’ny zaza latsaky ny 10 taona no tsy mahay mamaky teny sy manoratra, hoy ny banky iraisam-pirenena. Ny tany tsy mandry fahalemana intsony. Ny vary mora sy entana mora zary fakana fom-bahoaka rehefa propagandy no tena isiany. Ny fananan’asa tsy misy politika mazava hiatrehana an’izany, ny jiro sy rano izay olana goavana tsy mety mivaha,... Asa na izay tokoa no tonga amin’ilay fitenin’ilay Pretra Abbé Pierre malaza hoe: “Ny mpanao politika dia tsy mahalala ny fahoriana lalin’ny vahoaka afa tsy amin’ny statistika. Tsy hitomany eo anatrehan’ny antontanisa velively”.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.