Sosialy

Fifanolanana ara-tany etsy Nanisana Milaza hanao hetsi-pitakiana ireo vahoaka


  • Alakamisy 04 Novambra 2021

Manomana hetsika ho fitakiana ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny mpitondra taminy ny vahoaka voakasiky ny olana ara-tany amin’ny Minisiteran’ny fambolena ao etsy Nanisana Boriborintany faha-5.

 Nampifoha azy ireo mantsy ny fahazoan’ny mponina nanana olana ara-tany tamin’ny oniversite, izay nahazo kara-tany teny amin’ny boriborintany faha-2, andro vitsy lasa izay. Miantso fanampiana avy amin’ny Minisitry ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo, ny mponina etsy Nanisana hanampy azy ireo amin’ny fifampiraharahana hahazoany zo amin’ireo faritra ambaran’izy ireo efa nomaintisiny molaly an-taonany maro. “Hatramin’izao mantsy, tsy tanteraka ny fampanantenana fikarakarana nataon’ny CST iray avy ety aminay tamin’ny fotoan’ny fitondrana tetezamita rehefa lasa Filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany ao amin’ny Antenimieram-pirenena izy ankehitriny”, hoy ny solontenam-pokonolona. Notsiahivin’ireo fianakaviana an’arivony voakasik’izao raharaha izao fa efa nisy narodana na nofefena tsy ho azo idirana intsony ny tranon’izy ireo, tao anatin’izany anefa, tsy nihetsika akory io manam-pahefana nampanantena fiarovana io fa toa nivarotra vava hahazoana ny vatony tamin’ny fifidianana fotsiny , hoy ny fanamarihana. « Mitovy amin’ny anay ny teny amin’ny boriborintany faha-2 izay tanin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony nefa voakarakaran’ny depiote teny an-toerana sy ny minisitra Hajo Andrianainarivelo ihany », hoy izy ireo. Nambaran’ny mpanolontsaina ara-teknika ao anivon’ny FIKRIFAM, fikambanana ivondronan’ireo manana io olana ara-tany io, fa fositra mampikorosy fahana ny fari-piainan’izy ireo ankehitriny ity tsy fahamarinan-toerana amin’ny toeram-ponenana ity ka iantsoana vahaolana maika mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila... Heeverin’ireto olona ireto ho lasa didy fakan-tahaka na « jurisprudence » ny zava-niseho teny Ambohipo, ka dia io fa manambana hihetsika ireto mponina etsy Nanisana. Marihina kosa anefa fa nanomboka ny 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana no nanomboka no tena nandeha ny famaritana tany samihafa, ary toa nosokajiana ho mety izany satria nisy tombotsoa politika angamba, ka niorim-paka ireo olona, saingy mifoha ny fifandirana ankehitriny.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT