Sosialy

Fifaninana vadintany sy mpanao lavanty matihanina Mpiadina 150 no horaisina manerana ny Nosy


  • Talata 18 Septambra 2018

Handray vadintany sy mpanao lavanty matihanina miisa 150 ny Ministeran’ny Fitsarana amin’ity taona ity.

 

 

 

 

 

Raha araka ny fanazavan’ny maître Ramahefalahy, lehiben’ny vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara mantsy dia mbola tsy ampy tokoa ny vadintany sy ny mpanao lavanty matihanina eto amintsika. Anisan’izany ohatra ny ao Moramanga, Vatomandry…ankoatra an’i Toamasina I nefa tena mitana andraikitra lehibe amin’ny fampandehanana ny fiainan’ny mponina tokoa izy ireny. Ny 28 Septambra ho avy izao araka izany no farafametrahana ny antontan-taratasy ho an’ny mpiadina izay vonona hiatrika ny fifaninana, tsy maintsy manana ny mari-pahaizana baka+2 tamin’ny fianarana momba ny lalana na mihoatra ankoatra ny traikefa efa hananana. Mihoatra ny 25 taona ihany koa ny mpifaninana,  mahafehy tsara ny deontoljia momba ny asana vadintany sy mpanao lavanty matihanina. Marihina moa fa tsy maintsy mianatra asa mandritra ny roa taona ireo mpiadina voaray ary tsy maintsy mponina ao amin’ilay toerana hangatahiny hanaovana asa izy. Miisa valo raha kely ireo taranja hanadinana amin’izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT