Sosialy

Fifandraisana ara-barotr’i Canada sy Madagasikara Hanomboka ny 8 mey ny MECC 2023


  • Alakamisy 13 Aprily 2023

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny tranoben’ny varotra sy indostria etsy Antaninarenina

ny iraka ara-toekarena sy ara-barotra ifandraisan’ny fandraharahana malagasy sy kanadianina andiany faha 4 na «4eme mission économique et commerciale». Tanjona, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny fifandraisana ara-barotr’i Canada sy Madagasikara na CanCham, Michel Rakotonaivo, ny hampiroborobo ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ireo mpandraharaha malagasy sy kanadianina ao anatin’ity MECC 2023 ity. Eo ny fahafahana manondrana ny vita malagasy any ivelany, ny fandraharahana amin’ireo diaspora malagasy ao Canada, ny fahafaha-miara-miasa amin’ireo rafi-panjakana samihafa koa tadiavina mba hisandratan’ny fandraharahana malagasy amina sehatra ambonimbony. Eo koa ny fandraisana anjara amin’ny hetsika iraisampirenena momba ny sakafo atao ao Toronto, Kanada, ny 9 hatramin’ny 11 mey izao. Ao Toronto no hanomboka moa izay iraka izay ny 8 mey ary tsy hifarana raha tsy ny 19 may ao Ottawa, Canada, hatrany. Ny resaka kalitao sy habetsahan’ny entana amidy na resaka sakafo io na hafa, ny fifanarahan’izany amin’ny vidiny, ny fahafaha-manondrana sy manafatra ireo entana dia samy ho ivon’ny resaka anatin’izao hetsika izao avokoa. Raha fintinina fohy ny vokatra tamin’ny andiany farany dia nahafaha-nampiodina vola na «chiffre d’affaire» mitentina 5,2 tapitrisa Dolara teo izany. Nitombo 34 isa ny mpikambana anatin’ny hetsika izay nahitana kanadianina miisa 11 ary malagasy 23, hoy hatrany ny fanazavana mikasika ny andinindinin’ity hetsika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT