Sosialy

Fifandonan’ny mpitandro filaminana sy sivily Anisan’ny nitarika ny fampahantram-pirenena


  • Talata 30 Aogositra 2022

Azo lazaina ho efa ela no nandray anjara tamin’ny fampahantram-pirenena teto Madagasikara ny fifandonan’ny mpitandro filaminana sy sivily.

Miverimberina foana ny fanasokajian’ny sivily ny mpitandro filaminana ho tsy mpitandro filaminana fa hery famoretana rehefa raikitra ny hetsi-bahoaka misy fidinana an-dalambe. An-jatony, mba tsy ilazana hoe an’arivony, ireo mpitandro filaminana salorana ny anarana hoe EMMOREG na EMMONAT mamafy entona mandatsa-dranomaso hanaparitahana vahoaka maneho ny heviny. Nisy mihitsy aza moa ireo namoizana aina sy nampitondra takaitra ireo sivily toy izay nahazo ilay tovolahy niala faladia tongotra ny taona 2002, ohatra. Raha resaka tena fifandonana mahery vaika teo amin’ny mpitandro filaminana sy sivily mivantana mihitsy kosa ka namoizana aina sy naharavana fananana no tanisaina dia santionan’ireo efa nisy sy nalaza ny taona 1971 tany Androy. Ny taona 1985 koa tetsy Behoririka sy Ambatomainty, izay vao notsaroana vao haingana dia ny fifandonana teo amin’ireo mpikatroka Kung Fu sy ny tafika tamin’izany fotoana. Ny taona 2017 moa ny raharaha Antsakabary, izay naha dotra tokantranona malagasy maro koa. Ny taona 2022 izany izao dia misy io raharaha ao Ikongo izay namoizana aina sivily 16 isa eo io, noho ny tifitra variraraka nataon’ireo mpitandro filaminana ao an-toerana. Mba mijery ny vahaolana maharitra tsy hiverenan’izany tranga izany intsony ve ny mpitondra ankehitriny sa nisafidy ny hanohy ny dian’ny talohany hatrany? Tombontsoan’ny mpanao politika sy ny mpitondra no anton’ilay tranga mbola mitohy mandrak’ankehitriny sa tena fiarovana ny tombontsoam-pirenena tokoa ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT