Sosialy

Fifanarahana fifanaovan-tsonia eto Madagasikara Tsy mipaka mihitsy amin’ny fiainam-bahoaka


  • Sabotsy 19 Mey 2018

Mitohy hatrany ny fifanaovan-tsonia ataon’ny fitondrana amin’ireo fikambanana maneran-tany. Ny alarobia 16 mey teo no natao indray tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia ho fiarahana miasa amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny rafitra iraisam-pirenena (système des Nations Unies).

 Niompana tamin’ny drafitrasa iarahan’ny mpiara-miombon’antoka tahaka ny Fikambanana Manerantany momba ny fahasalamana (OMS), ny UNICEF sy ny minisitera mandritra ny taona 2018 izany (PTAC:Plan de Travail Annuel Conjoint). Miara-mijery ny laharam-pahamehana momba ny fahasalamam-bahoaka izy ireo amin’ny ankapobeny. Misy hatrany ny fifanaovan-tsonia entina hanatsarana ny fahasalamam-bahoaka. Hatreto anefa, tsizarizary hatrany ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ny any amin’ny tontolo ambanivohitra. Tsy mahagaga raha ratsy hatrany ny vokatra miakatra satria olana ny ara-pahasalamana any. Vitsy ny toeram-pitsaboana sy ny dokotera ary lafo hatrany ny saram-pitsaboana. Maro be izay sonia sy vola voarain’ny fanjakana tamin’ny resaka fahasalamana izay fa tsy mipaka any amin’ny vahoaka madinika mihitsy. Manamarika ity fitondrana ity koa moa ny tsy mba fanaovana tatitra amin’ny vahoaka ny fandaniam-bola natao tamin’ireny vola fanampiana azo maro be ireny fa variana misehoseho ivelany fotsiny hatrany.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT