Sosialy

Fifanampian’ny GFEM sy ny AFHAM Vehivavy sembana maro no efa nahita asa


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Fahombiazana sahady no azo tamin’ny fiaraha-miasan’ny GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar) sy ny Association des femmes handicapées (AFHAM).

 

 

Vehivavy  manana fahasembanana maro  mantsy no efa nahita asa hatreto, hoy Razafinjato Fela, filohan’ny AFHAM. Vao tamin’ity volana jona ity, ohatra, dia vehivavy telo manana fahasembanana no nalaina vehivavy mpandraharaha iray mivondrona ao anatin’ny GFEM hanao opératrice de saisie eo anivon’ny orinasa tantanany, niampy femme de menage iray. Vehivavy manana fahasembanana iray ihany koa no efa nalain’ny Master life hanofana tanora ao aminy momba ny fampivoarana ny maha olona. Anisan’ireny ny fanovana toe-tsaina manoloana ireo karazana olana mety sedraina amin’ny fiainana andavanandro ka tsy hahafahana mandroso… Tsiahivina moa fa mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ka ny tanjona dia hahatonga ireo vehivavy manana fahasembanana hisitraka ny zony feno ka tsy hailika intsony rehefa mitady asa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT