Sosialy

Fifamezivezen’ny posy sy sarety Mila hentitra kokoa ny fanaraha-maso


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Sarety nandika lalàna miisa 20 hatreto no fantatra fa nampidirina “fourrière” ho an’Antananarivo Renivohitra.

 

 

Nohamafisin’ireo tompon’andraikitra fa manomboka amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 10 ora maraina; amin’ny 12 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro; amin’ny 4 ora mandra-pisavan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana dia ora tsy azo ifamezivezen’ny posy sy ny sarety eto an-drenivohitra. Nohamafisina ihany koa fa tsy azon’ny Posy sy ny Sarety idirana ny eny afovoan-tanàna sy ny eny amin’ny toerana fiakarana toa an’Analakely, Anosy, Mahamasina, Ambohidahy, Ambohijatovo... Tsy azon’izy ireo hoentina ihany koa ny entana toy ny ranon-tany, ny barika, ny kidoro “éponge” ary ferana ho 1 taonina sasany ny vesatry ny entana tokony ho zakan’ny sarety ary 500 kilao eo kosa ho an’ireo posy. Hita anefa omaly alarobia fa mbola maro ny toerana nahitana posy sy sarety mitondra entana amin’ny ora tsy tokony handehanany eny amin’ny arabe. Nisy koa ireo mbola nitondra ranontany. Midika izany fa tsy ampy ny famoahana fepetra fotsiny fa tsy maintsy misy fanaraha-maso isan’ora sy isan’andro ataon’ny mpitandro filaminana sy ny kaominina mba hitsirihaana ireo mandika lalàna

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT