Zava-doza no nitranga tao Toliara ny sabotsy lasa teo. Nokatsanan’ilay rafozan-dahiny tamin’ny antsy fitetehany manga mantsy ny molotra sy ny oron’ilay vinantolavaviny raha iny nifamaly taminy iny ka nikipaka niala tamin’ny toerany mihitsy.
Mpivarotra manga no asan’ity rafozan-dahy ity raha araka ny loharanom-baovao azo ka tsy nanahirana azy velively ny nanala ilay molotra sy orona nanatrika azy, maranitra rahateo ilay antsy. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly moa ilay naratra, raha niverina namonjy ny asa fivarotany kosa ilay rafozandahy. Tsy fantatra mazava moa izay anton’ny fifamalian’izy mianaka ireto. Efa eo am-pelatanan'ny mpitandro filaminana ny raharaha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.