FIER MADA ANDIANY FAHA-25

Hanomezan-danja ireo vokatra sy asa tanana Malagasy


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Hotanterahina ny 07 ka hatramin’ny 11 Aogositra ho avy izao indray ilay hetsika Fier Mada andiany faha-25

hampirantiana sy hanomezana vahana ireo vokatra eto an-toerana. Eny amin’ny kianja malalaka Maki Andohatapenaka no hanatanterahana izany. Trano eva mihoatra ny 100 no handray anjara amin’ity hetsika ity ahitana ireo mpanao asa tanana sy mpamokatra marobe avy any amin’ny faritra. Tanjon’ny mpikarakara ny hanome lanja ireo vokatra sy asa tanana vita Malagasy no sady hahafahana mikaroka lalam-barotra ho azy ireo ihany koa. Izay mantsy no mbola tena olan’ireo mpandray anjara hatreto ankoatra ny halafosan’ny akora. Marihina fa hahazo toerana mandritra io 5 andro io koa ireo mpiompy sy mpitia voninkazo. Lohalaharana amin’ireny ireo mpiompy tantely, trondro, akoho amam-borona…. Hisy ihany koa ny fanomezana fahafaham-po ireo mpitia voninkazo amin’ny alalan’ny toro-hevitra omena azy momba ny zaridaina mahate-ho tia sy ny fikarakarana ny voninkazo amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao.
Pati
Legende : Tsy tara amin’ny hetsika Fier Mada ireo karazam-boankazo noham
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT