Sosialy

FIEPA Manasongadina ny vokatry ny fiompiana sy ny fambolena


  • Zoma 09 Desambra 2022

Tranoeva an-jatony no indray mandray anjara amin’ny tsena be FIEPA etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina ka anisan’ireny ireo mpamokatra sakafom-biby sy fanafodim-biby.

Toraka izany ihany koa ireo karazana fambolena toy ny hazo fihinam-boa… Nambaran’ny dokotera Raymond, ministra lefitra misahana ny fiompiana izay tonga nanokatra sy nanome voninahitra ny lanonana fa tsy mijanona ho antsika eto Madagasikara ihany izao hetsika goavambe momba ny fiompiana sy ny fambolena izao. Efa afaka haondrana soamantsara any ivelany ihany koa mantsy hoy izy ireo karazam-bokatra misy eto amintsika, antony hitadiavana lalambarotra tsy mitsahatra ho an’ireo tantsaha mpiompy sy mpamokatra. Mikasika ny fiompiana akoho sy ny fanakotrehana atody manokana dia nambarany fa efa afaka mampiasa ny teknolojia avo lenta isika eto Madagasikara ankehitriny.
Pati
Legende : Atody marobe no hamidy etsy amin’ny FIEPA etsy amin’ny kianjan’i Barea
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT