Sosialy

Fidorohana zava-mahadomelina Maro ny Malagasy ho lasa adala


  • Zoma 05 Aprily 2019

Mitombo hatrany ny salanisan’ireo tanora mirona amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ankehitriny ka ahiana ny hitomboan’ny isan’ireo ho lasa adala.

 

 

 Antony maro no mety mahatonga izany toy ny naman-dratsy, ny fanirahan’ny ray aman-dreny ny zanany mandeha mividy sy mampirehitra sigara, ankoatra ny  fisarahan’ny ray aman-dreny sy ireo olana maro samihafa eo amin’ny fiainana. Misy ihany koa ireo rendrarendra fotsiny ihany no handraisany izany na efa zatra ilay vatana ka tsy maintsy miankin-doha. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina anefa dia manova ny fiasan’ny atidoha ny fandraisana zava-mahadomelina  ary mety hahalasa adala mihitsy, indrindra ho an’ireo mandray karazany toy ny kôkaina izay nambaran’ity dokotera iray ity fa tena mahery indrindra. Mety hiova ihany koa ny fomba fijerin’ilay olona izay milaza mahita ranobe rehefa miampita arabe nefa tsy misy akory, mahita bibikely mifanena aminy nefa tsy misy… Fa ny tena loza dia  mampangovitra tanana ny fidorohana ary mora taitaitra ireo tratrany ankoatra ny aretin’andoha lavabe mety hitaiza ilay olona. Farany, mety ho very tadidy ihany koa ilay olona, mihafohy ny fahatakarany ary mety ho be setrasetra sady tia ady aman’olona.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT