Sosialy

Fidiram-bolan’ny Malagasy Nitotongana 45% nanomboka ny 1960


  • Zoma 05 Mey 2023

Nihena hatrany amin’ny 45% ny tahan’ny fidiram-bolan’ny Malagasy teo anelanelan’ny 1960 hatramin’ny 2020,

raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Io no vokatry ny tontolo feno fifandonana mahery vaika tamin’ny endriny samihafa. Raha ny nambaran’ny Solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena eto Rtoa Marie Chantal Uwanyiligira, dia nisy ihany ny fivoarana kely tao anatin’ny vanim-potoana nifandraika tamin’ny fitoniana sy ny faharinan-toeran’ny firenena, saingy voafafan’ny krizy maro nifanesy, indrindra indrindra ny krizy politika fa eo ihany koa ny krizy ara-toetr’andro, ary vao tsy ela ny krizy ara-pahasalamana. Na teo aza ny fiverenana ara-toekarena noheverina fa hahavelom-bola taorian’ny krizy farany ny 2009-2013, dia tsy nihoatra ny 0% mahery kely teo tahan’ny fiakaran’ny harin-karena faobe na PIB isam-batan’olona isan-taona, raha toa ka nitombo hatrany ny olona tahan’ny olona voasokajy ao anatin’ny mahantra fadiranovana satria raha 72,5% izany taona 2012, dia 75,2% ny 2022, ary amin’izao aza moa, raha ny antontan’isa efa nivoaka teo aloha teo, dia efa any amin’ny 81%. Tsy I Madagasikara no sarotra ampandrosoana fa ny finiavana politika no tsy ampy, miharihary ny tsy fahaiza-mitantana, manjaka ny kolikoly, potehina noho ny kajikajy politika ny toekarena, lavitry ny fitiavan-tanindrazana ny mpitantana, habadoina sy terena an-kolaka hanaiky ny Malagasy fa izao no mety, tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena ny fampianarana sy fanabeazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT