Sosialy

Fidinan’ny vidin-tsolika Tsy mampiova ny saran-dalana hatreto


  • Alatsinainy 24 Jona 2019

Efa nilaza ny mpitatitra sasany fa kely ny fidinan’ny vidin-tsolika, ka tsy ahafahana mampidina saran-dalana, izay midika fa tsy nisy fiantraikany aloha hatreto.

 

 

Natao be filaza ka nahatonga ny ankamaroan’ny olona nihevitra fa 1000Ar any ho any fihenana. Mety azo tsotsorina amin’ny hoe lanja miakatra, fa raha zohiana dia 52,84% ny fiakaran’ny vidin-tsolika nanomboka ny fanonganam-panjakana 2009 hatramin’ny 2018 satria 2640Ar ny lasantsy no tafiakatra 4035Ar, raha toa ka 4200Ar ny vidiny farany nialoha izao. Ny 2010 fotsiny no nisy 14 ny fiakarany. Nitotongana ny toekarena, indrindra ny sandan’ny ariary, izay tena iankinan’ny vidin-tsolika. Tena mipetraka ho tantara ara-toekarena sy ara-tsosialy tokoa araka ny tenin’ny filoha ve iny, raha 1560Ar ny fiakarana tao anatin’ny 10 taona, dia nisy fidinana 100Ar na 150Ar monja fotsiny ? Izaho ary mahita fa vao maika mahazo be ny mpamatsy solika ankehitriny satria mamboly tohana fitohanana ny “trottoir” na lalana tsy simba no amboarina... amin’ny fanapahan-dalana amin’ny ora fiasan’ny mpiasa, izay tokony halamina. Mety misy firaisana tsikombakomba satria raha solika 5L mahavita ny mpianakavy isan'andro, manjary 10L raha kely ankehitriny. Manginy ny tsy fahafaha-mamokatra fa miesona anaty fitohanana. Mitombo fahasahiranana izany ny  vahoaka, hoy ny renim-pianakaviana iray.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT