Sosialy

Fidarohana beantitra tany Behenjy Ny zanany sy ny taizany no nahavon-doza


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo roalahy nikasa hamono ireo mpivady efa antitra tao Behenjy, any amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena.

 

 

 

Raha tsiahivina, hita tao an-tranony efa maratra mafy Razanadrakoto  Harrison sy Razanajoary  Florine vadiny ny alin'ny alakamisy 26 aogositra lasa teo. Nentina notsaboina haingana any Antananarivo izy mivady ireo. Ramilison  izay noraisina toy ny zafikely sy Rasamimanana zanak'anabavin'ilay rangahibe ihany sady mpiara-monina eo an-tanàna no nahavanon-doza rehefa azoazon'ny zava-pisotro mahamamo avy tany amin'ny lanonana natrehiny izy ireo.
Niaiky ny heloka vitany moa izy roalahy ireo. Na izany aza mbola atahorana ny fahasalaman'ilay Ramatoabe raha tonga nanatrika ny fitsarana kosa ilay rangahibe.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT