Sosialy

Fidangan’ny vidin’ny PPN Haka ny hevitry ny olona ny mpiaro ny Zon’ny mpanjifa


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Marihina isan-taona isaky ny 15 martsa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny mpanjifa.

 

 

 

 Hiseho amin’ny endrika marolafy ny fankalazana anio. Manomana hetsika ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asatanana miaraka amin’ireo mpiara-misalahy aminy. Hanana ny azy koa ireo fikambanana mpiaro ny Zon’ny mpanjifa. Ho an’ny Hetsiky ny Olom-pirenena miady amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana na MCI, tarihin-dRazafindralambo Lalaina, dia hiazara roa ny asa anio. Ny tapany voalohany dia hatokany hanaovana fanabeazana ny mpanjifa sy hanomezana torolalana ary hampahafantarana azy ny zony. Aorian’izay dia hidina eny Ambodinisotry, Boriborintany voalohany izy ireo hanontany ny hevitry ny mpanjifa ny tokony hatao na koa ny vahaolana manoloana ny fizirizirin’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro indrindra ny vary sy menaka. Nisy fiantraikany amin’ny vidim-bary teny an-tsena ve ny filazana nataon’ny ministera ny hamerana ho 500 Ariary ny iray kapoaka, toy izany koa ny menaka, hoy ny MCI fa raha ny hita dia mbola manodidina ny 3000 Ariary ny kilaon’ny vady gasy ho an’ny mpanjifa.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT