Sosialy

Fidangan’ny vidin’entana Fa lasa aiza ilay fanaraha-maso ?


  • Alatsinainy 06 Jolay 2020

Mbola mitohy ve ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena sa efa lasa ny zavatra taloha ?

 

 

 

 Tsikaritra ho midangana indray ankehitriny ny vidin’ireo entana ilaina andavan’andro. Mahatratra 620 ariary ny kapoakan’ny vary eny amin’ny mpaninjara. Mbola misy ve ilay minisitra tonga teny amin’ny tsenan’Anosibe, Namontana, Andravoahangy ka nijery ifotony sao misy manararaotra ? Ny tena andrasan’ny mpanjifa indrindra moa dia ny fisian’ireo iraka manokana avy amin’ny ministera mba hidina amin’ny toerana toa an’ireny matetika. Mila ambenana toy ny omby, hoy ny fitarainan’ireo mpanjifa, ireo mpivarotra vao mampidina vidin’entana. Vao midify anefa ireo tompon’andraikitra dia miverina manao ny ataony indray izy ireo. Hatramin’ny vidin’ny atody aza manomboka miakatra, ary asiana tombony kely daholo ny entana.Manomboka amin’ny 50 ariary io tombony io ka rehefa ela ny ela mety ho tonga hatrany amin’ny 200 ariary.Ny olona anefa efa tena sahirana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT