Sosialy

Fidangan’ny vidin’entana «Ao anatin’ny 3 andro tsy maintsy misy vahaolana”


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2021

Tokony hisy ny fisondrotana saingy tsy mihoampampana no hita eny amin’ny fiarahamonina. Misy ny fanararaotana ataontsika samy Malagasy, fiakaran’ny saram-pitaterana an-dRanomasina.

 Raha 2800 dolara ny kaontenera 40 pieds any ho any dia efa tafiakatra 8 na 9 na 10 000 dolara ny sarany. Manararaotra izay rehetra handalovan’ny vidim-piainana, mampalahelo ny foto-pisainana izay tsy mitsinjo ny hafa. Ny andraikitra ny Fitondram-panjakana, dia misy ny tsy fandraisan’andraikitra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fanaraha-maso ny vidim-piainana. Ny Fanjakana dia mpitsara (arbitre) ka tokony mitsioka kiririoka. Hatrany amin’ny Minisitra, mpanara-maso, governora,… mila manara-maso. Mety ho isan’ny hoesorina ny Minisitry ny varotra raha zohiana amin’io. Misy vahaolana io, ary anjaran’ny fitondram-panjakana no maka andraikitra tokony hamahana izany. Anjaranay ny mamaha ny olana, fa ny fanararaotana ihany koa dia misy. Any Taolagnaro 35 000Ar ny vidin’ny simenitra, olona iray no mpanafatra simenitra, rehefa nandefa olona ny fiadidian’ny Repoblika dia nojerena navoakany ny tahiry, ary nisy olona nilaza fa efa nisy nividy 47 000Ar. Tokony hofaizina, ary giazana ny entan’ireny mpanararaotra ireny. Ny olona mivarotra raha tsy misy ny mpanara-maso, raha tsy fehezin’ny mpitondra aza, dia samy manao izay danin’ny kibony. Hanome toromarika amin’ny Minisitera ary ao anatin’ny 3 andro tsy maintsy misy vahaolana. Arahi-maso hoe ohatrinona ny atody eny ifotony? Tsy maintsy hovoriana ireo olona mpisehatra amin’ny PPN. Atomboka any amin’ny mpanafatra entana, mpamokatra entana eto an-toerana (siramamy, menaka, arina fandrehitra,..), voriana ny mpamongady, voriana ny mpaninjara,… Hanafatra sambo maromaro na 5 na 6,… hatrany amin’ny 20 raha toa ka misy ireo orinasa minia manararaotra, ka ny orinasam-panjakana SPM no hivarotra amin’ny mpamongady. Tsy maintsy mitondra vahaolana ao anatin’ny fotoana fohy ny Fanjakana. Andrasana indray ary ny vokatr’izany satria tsy vao izao no nisiana fampanatenana mirarakopana! Ny vidim-bary aza efa ny 4 desambra 2020 nolazaina fa hatao 500Ar ny kapoaka saingy aiza izy izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT